TRANSHUMANISME
Isan’ny tetik’ady ho @ ilay LAMINA VAOVAO MANERAN-TANY ny TRANSHUMANISME.
Tsy hafa akory izany, fa fametrahana sy famokarana olona lazaina hoe « Hybride » irony (Ampahany olombelona, ary ampahany efa akora elektronika, na informatika). Tsy nofinofy akory izany fa efa manomboka izany izy ireo.
Tanjona roa no kendreny @ izany dia eo mazava ho azy ny zavatra takian’ny « Société de consommation » mila olona « performant » tsy marary intsony, mahavita manao asa mihoatra noho ny ora farafahabeany feran’ny lalam-panjakana, olona tsy mila fialan-tsasatra intsony.
Fa ny tanjona faharoa izay tena lehibe indrindra, dia amin’ny alalan’izany no hahatraran’ireo ELITE MONDIAL ny atao hoe UNIFORMISATION DE L’ÊTRE HUMAIN. Olona formaté azo volavolaina, endoctriné, manipulable ho @ izay asaina ataony rehetra.