NY GOUTTE Ireo sakafo tsy azo hohanin’ny olona voan’ny goutte
Miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy
Mahafaly ny mizara amintsika ity video ity, torohevitra ho an’ireo olona mararin’ny goutte. Inona no tokony hataon’izy ireo, inona avy ireo sakafo tsy azo hohanina sy ireo azo hohanina. Arahinao ao anatin’ity video ity izany. Isaorana hatrany i Dr Rasoatakalosoandro. Mirary soa.
• Ny Goty dia aretina metabôlika, noho ny olana eo amin’ny metabolisma ny purines ka miteraka fivangongoan’ny acide urique ao amin’ny RA.
• Ny lehilahy no tena tratran’ilay aretina (90 %) ary eo amin’ny manodidina ny taona 30-50 eo no fisehoany. Ny vehivavy efa tsy afaka miteraka intsony koa dia misy tratrany (menopause)
• Misy ireo zavatra mampihetsika azy ity ho an’ireo olona manana olana eo amin’ny métabolisme des purines :
Kiraro tery na traumatisme hafa
Ireo sakafo sasantsasany
Ireto avy noho izany ireo sakafo tsy azo hanina sy ireo mila fandnjalanjana ary ireo azo hohanina raha manana olana amina metabolisma ana purines ianao :
1. IREO SAKAFO TSY AZO HOHANINA SATRIA TENA BE PURINES AO ANATINY :
Fo-kena, atin-kena, gibier, maquereau, ris de veau, sardines, moules
2. IREO SAKAFO MILA FANDANJALANJANA NY FIHINANANA AZY SATRIA BE PURINES :
Holatra (champigons), choux-fleurs, épinards, fruits de mer (crabes, homard, huitre), lentilles, pain, céréales à grains entiers, ny pois verts, dinde, germes de blé, poulet, porc, dinde, agneau.
3. IREO SAKAFO AZO HOHANINA SOA AMAN-TSARA SATRIA KELY DIA KELY NY PURINES AO ANATINY :
Fromages, ny voankazo, ny jus de fruits, ronono, pains et céréales raffinés, café, thé, gelantine, amande, atody, légumes, gras.
Ireto indray ny fitondran-tena tokony hataon’ny olona manana olana amina metabolisma ny purines na goty :
• Tandremo ny fifadian-kanina sy ny régime tafahoatra ka miteraka fahaverenan’ny lanja haingana (perte de poids rapide)
• Fero ny fisotroana alikaola na ajanona mihitsy no tena tsara
• Misotroa rano 2 litatra fahafahakeliny isan’anro
• Aza mihinana sakafo matavy loatra na dia tsy be purines aza ireny
Mankasitraka antsika mpanaraka ny chaîne, abonnez-vous!!
Araho ny chaîne raha mbola vaovao ianao!!
Suivez-nous sur Facebook
Dr Rasoatakalosoandro: