Azo omena rano ve ny zazakely?
Azo omena rano ve ny zazakely? manomboka oviana izy no omena sakafo hafa ary inona avy izany??
Miarahaba!
Ny fahasalamana sy ny fahatomombanana ara-batana sy saina ary fanahy eo amin’ny zanan-tsika dia miankina amin’ny fomba ikolokolointsika azy hatrany an-kibo indrindra mandritra ny faha-heritaonany. Zavatra iray lehibe tsy azo atao ambanin-javatra ny fampinonoana ny zanaka. Maro dia maro ny tombontsoa azo avy amin’izany. Ny fotoana anomezanao sakafo hafa ankoatran’ny nonon-dreny izay na diversification alimentaire dia misy akony lehibe ihany koa eo amin’ny fahasalaman’ny zaza. Tsy maintsy omenao akafo hafa ny zaza kely nefa manomboka rahoviana izany no atao? Inona ireo zavatra tsy azo atao? Inona avy ireo zavatra azoko omena ny zanako?